ActualitésTatitra

Irak : Nisy fanafihana nahafaty olona 11 tao Irak

Niharana fanafihana ny tànan’i Al-Rachad ao Diyala ao atsinanan’Irak ny talata alina teo. Olona 13 no maty tamin’izany raha ny fanazavan’ireo manam-pahefana ao an-toerana, ary 13 no naratra. Misy sivily amin’ireo niaram-boina ireo, hoy ny tompon’andraikitra. Ny fanjakana « islamique » no nanao io fanafihana io, ary ny tànana be mponina mpikambana ao amin’ny tafika indrindra io lasibatra io. Nandresy ny djihatiste i Irak tamin’ny taona 2017, saingy tsy mbola mitsahatra manafika azy ireo ireto djihatiste ireto.

Laisser un commentaire