SportTatitra

Espagne : Nisaorana ny mpanazatra ny FC Barcelone

Najanon’ny klioba FC Barcelone ny mpanazatra Ronald Koeman ny alakamisy teo rehefa resy indroa tamin’ny Liga. Nanomboka ny 19 aogositra 2020 izy no nanazatra ny klioba izay resy manoloana ny Rayo Vallecano tamin’ny isa 1-0 ny ekipa ny alarobia teo ary mbola lavon’ny Real Madrid tamin’ny isa 1-2 ihany koa tamin’ny « clasico ».Manana laza ho fatra-paniry laza hatrany amin’ny Pays-Bas ity mpanazatra Néerlandais ity. Efa nilaza azy mialoha io fanalana azy io kosa ny filohan’ny klioba Joan Laporta raha ny fanazavana. Tsiahivina fa tsy tafahetsika eo amin’ny laharana hafasivin’ny tompon-dakan’i Espagne ny FC Barcelone, ary efa eo ambavahoan’ny fihintsanana amin’ny Ligue des Champions.

Laisser un commentaire