ActualitésTsidika

Amparafaravola : Olona enina no nalaina an-keriny, mbola tsy hita hatramin’izao

Jiolahy miisa 15 no nanafika tanàna iray tany Ambohidehilahy kaominina Ambodirano Amparafaravola izay mody nanao fanamiana mpitandro filaminana. Nalainy avokoa ny firavaka sy ny vola tao amin’ny tokantrano notafihany ary nentiny an-keriny tany ny olona miisa 6 izay tsy mbola nandrenesam-baovao hatramin’izao.

« Nahafantatra tsara ny olona tato an-trano ireo olon-dratsy satria nanontany ny olona tsy hitany teo » hoy ny vehivavy iray nahita ny tranga. « Tsy vao voalohany akory ny fanafihana tahaka izao fa efa in-droa izay ka tena manao antso avo amin’ny manam-pahefana izahay eto » hoy ny sefom-pokontany tao Ambohidehilahy. « Tsy hamono no tanjonay fa vola no tadiavinay » hoy ireto jiolahy ireto nandritra ny fanafihana. Azo antoka izany fa tsy ho vonoiny akory ireto nalaina an-keriny ireto fa hakany vola saingy na izany aza dia mila mandray ny andraikiny haingana ny Zandarimariam-pirenena, mandeha eny ifotony manadihady sy manavotra ireto olona nalaina an-keriny ireto.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire