SocialTatitra

Iran : Tsy mbola fotoan’ny fivoriana amin’ny fifanekena mikasika ny nokleary izao hoy i Teheran.

Nolavin’i Iran ny alahady 28 febroary teo ny hevitra momba ny fivoriana tsy ara-potoana miaraka amin’i Etats-Unis sy i Europe. Fivoriana nokasaina hiresahana ny fomba famerenana ny fifanarahana nokleary tamin’ny 2015 io nokasaina saika hatao io. Manitrikitrika ihany koa ny hanafoanan’i Washington ny sazy rehetra nifanaovany. Nilaza i France, Allemagne ary Angleterre, tamin’ny fanambarana niaraha-nanao ny talata 23 febroary lasa teo fa tsy maintsy miara-miasa tanteraka amin’ny International Atomic Energy Agency (IAEA) i Teheran ary hanafoana ny fepetra rehetra mba hisian’ny mangarahara amin’ny programa nokleary ao aminy. Mitsipaka ny fanapahan-kevitr’i Iran manoloana ny fanafoanana ny paikady sy ny fepetra mangarahara momba ny drafitra iraisana momba ny asa ireo eropeana telo (« E3 ») nanao sonia tamin’ny fifanarahana tamin’ny 2015.

Laisser un commentaire