61 taona androany ny vondron-tafika malagasy
Isan’ny maha firenena ny firenena ny fisian’ny tafika mba hahafahana miaro ny vahoaka sy ny fananany. Feno 61 taona androany 15 jona 2021 no nananganana ireo vondron-tafika voalohany tao amin’ny Tafika Malagasy araka ny didim-panjakana laharana 60-102 ny 14 may 1960. Ny 1 RIAM (Régiment Interarmes Malagasy na Rezimanta Iraisam-piadiana Malagasy) izay nitoby teto Antananarivo ary ny 2 RIAM tao Fianarantsoa no vondron-tafika voalohany nandrafitra ny Tafika an-tanety, anabakabaka ary andranomasina. Nisy talohan’ny nanambarana ofisialy ny fahaleovan-tena ny vondrona ary efa nanomboka tamin’izany no niarovana ny vahoaka satria niala ny Frantsay. Mbola mitohy hatramin’izao ny asa ary tsotra ny tanjona mba handry fahalemana ny tany sy ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
