28 aprily : Isa fotsiny ny taona ho an’ireo olo-malaza any ivelany
Maro ireo olo-malaza any ivelany mananika ny faha 40 taonany nefa mbola tanora endrika sy mirijarija tsara. Anisan’izany i Penélope Cruz izay mankalaza ny tsingerin-taona nahaterahany ho an’ity anio ity. Teraka ny taona 1974 tao Alcobendas ao Madrid ny tenany.Anisan’ny feno 41 taona androany ihany koa i Jessica Alba, teraka tao Pomona, Californie. Marihina fa mpilalao horonantsary, mpilatro ary mpandraharaha ny tenany. Manampy an’izy roa vavy ireo amin’ny fankalazana tsingeritaona androany ihany koa i Katherine Langford, teraka ny 1996 tao Perth ao Australie, ny horonantsary mitohy « 13 Reasons Why » no tena nahafantaran’ny maro azy.
