Filankevitry ny minisitra : Ireo teboka lehibe nandritra ny filankevitra
28 Aprily, 09h00. Nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra, tao amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly 27 aprily ny fandraisana an’ireo mpiasa an-tsitrapo (bénévole), sy ireo izay mpilatsaka an-tsitrapo (volontaire) ho mpiasam-panjakana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Teo ihany koa ny fanoahana ny lisitr’ireo Hopitaly Manarapenitra miisa 15 sy CSB miisa 69 kasaina hatsangana amin’ity taona ity ary ny fanantanterahana ny « reserve nationale de l’or ».
