WWF : Nanolotra vahaolana hanafahana ny olombelona amin’ny fiankinan-doha amin’ny plastika
Namoaka fanambarana mirakitra ny tatitra roa navoakan’ny cabinet Eunomia ny WWF ny alatsinainy teo. Maro ny efa niandry ny fivoahan’izany, indrindra ireo mpiaro ny tontolo iainana. Teboka iray lehibe ao anatin’io fanambarana an-tsorana io ny ady amin’ny fandotoan’ny plastika.
Navoakan’ny WWF ny alatsinainy teo ny vahaolana hanafahana ny olombelona amin’ny fiankinan-doha amin’ny plastika. Mbola ho dinihan’ny firenena mikambana miaraka amin’ny Pnue (Programme pour l’environnement) nefa izany. Raha ny fanazavana dia hatramin’ny faran’ny taona 2024 no tokony hisy fanampahan-kevitra ara-dalàna azo avy amin’ny fifanakalozan-kevitra ataon’izy ireo mba hamahana io krizy lehibe manoloana ny plastika izay manaratsy ny fahasalaman’ny olombelona sy mampitombo ny fahasimban’ny zava-manan’aina.
Isany vahaolana natolotry ny WWF ny fandrarana avy hatrany ny fampiasana « fibres » plastika amin’ny « lingette humide», borika sigara, fonon’ny dite ary ireo vokatra tsy azo haverina ampiasaina toy ny vera plastila, « cotons-tiges »… Tontosaina ny 29 may ka hatramin’ny 2 jona izao ao Paris kosa ny fihodinana faharoa ny fifampiraharahana manoloana izany.
