ActualitésTsidika

Ankadinandriana : Amboarina ny lalana

Natomboka ny 3 martsa, ary tsy hifarana raha tsy afaka 5 andro, ny fanamboaran-dalana ao Anakdinandriana mankany Antanimarina. Ireo lalana tena sarotra sy manahirana ny mandeha aminy aloha no tena laharam-pahamehana.

« Hisy ny fanamborana eto Ankadinandriana. Maneho fialan-tsiny sahady amin’ny mety ho fanakorontanana noho ny fanamboarana izahay » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadinandriana. « Tena sarotra tokoa ny mandeha amin’ity lalana ity. Isaorana ireo mpitarika ny fandrosoana, izay tarihin’ny kaominina sy ny fokonolona. Izahay fokonolona rahateo no hiantoka ny famatrarana ny tany ho entina hanotofana ny lavadavaka » hoy i Raymond, mponina ao Ankadinandriana.

Antoka lehibe amin’ny fampandrosoana ny tanàna tokoa ny fahatsaran’ny lalana. Mbola ao anatin’ny fotoam-pahavaratra tokoa mantsy isika amin’izao. 

Laisser un commentaire