ConseilTsidika

Kolontsaina: “Golike” na “Kenoke”, Dihy manandratra ny faritra Atsimo

Antsa na tsinjaka fanaon’ny Tagnalagna, any amin’ny faritra Atsimo andrefana, ny Golike na Kenoke.

Maro karazana ny fotoana handihizana ny Golike. Amin’ny Savatry na famorana izay atao amin’ny akorandriaka, amin’ny famerenana ireo maty any ampamangana, ary amin’ny fisà na lanonana.

Ny lehilahy no mandihy ary ny vehivavy kosa misonenika (mandihy milamina) sady miantsa. Agadona amin’ny tany ny tongotra ary avelatra sady ahetsika ny sandry.

Manao kilaoty fohy misy sadia behofaka (salaka be sakany) eo amboniny ny lehilahy ary manao satroka satrana sy kapa holitrena. Misikina lamba arindrano kosa ny vehivavy ary ny volo dia taliana atao kidoko.

Daba na volobe velezina amin’ny hazokely roa no zavamaneno ampiasaina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire