Alasora : Tokony tsy andrasana ho simba vao hisy ny fanamboarana
Isan’ny fototra iray maha simba vetivety ny fotodrafitr’asa sy ny fanana iombonana eto amintsika ny tsy fahampian’ny fanatsarana. Efa ratsy sy simba foana ilay izy ary mampitaraina be ny mponina vao misy ny fanamboarana.
« Efa mihasimba izao ny lalana rarivato eto Alatsinainy Alasora. Tokony tsy andrasana ho simba tanteraka vao ho amboarina. Fotoana izao hanaovana ny fanatsarana » hoy i Hary, mponina ao Alatsinainy Alasora. « Betsaka ny vola alaina ho fanamborana ny fotodrafitr’asa simba amin’ny mponina. Tsy tokony ho olana intsony ny fanarenana ny simba. Tsy simba be anefa vao ho taitra fa dieny izao » hoy i Rolland, mponina ao Alasora.
Miantoka akaiky ny fiainan’ny mponina eny ifotony tokony ny fotodrafitr’asa toy ireny. Dieny vao misy fahasimbany kely izy dia amboarina mba tsy hananosarotra ny asa.
Nicole Rafalimananjara
