25 May 1923 – 25 May 2021 : 98 taona ny Sekoly Miaramilam-Pirenena na SEMIPI
Mila fahaizana hampandrosoana ny firenena indrindra amin’ny fandringanana ireo tsy manara-dalàna, Mila fahendrena hanompoana ny tanindrazana sy ny vahoaka, mila fandresena manoloana ny asa nankinin’ny firenena taminy, izany no miandry ireo miaramila eo am-panaovana ny asany. Fahaizana, fahendrena, fandresena araka izany no tarigetra hajain’izy ireo hatrizay ka mandrak’ankehitriny. Feno 98 taona katroka androany 25 May ny Sekoly Miaramilam-Pirenena na ny SEMIPI ao Fianarantsoa raha niorina ny 25 may 1923. 98 taona nanabeazana ny zanaka Malagasy ho mendrika amin’ny asa fiarovana sy fanompoana ny tanindrazana. Manamboninahitra maro ankehitriny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Tafika Malagasy, ny polisim-pirenena na sivily ihany koa aza no efa nandalo tao amin’ity sekoly ity. Isan’ireo reharehan’ny sekoly ny Jeneraly Minisitry ny fiaraovam-pirenena, ny jeneraly Komandin’ny Zandarimariam-pirenena ankehitriny ary mbola maro ny ankoatr’izay. Misy ny paozenitra fanamarihana izany tsingerintaona izany anio ho atao ao amin’ny SEMIPI ao Beravina fianarantsoa, fotoana izay atao anaty fanajana tanteraka ny fepetra ara-pahasalamana. Asa masina sy goavana eto amin’ny firenena izany manatevin-daharana ny Foloalindahy izany satria sady asa fanompoana ny tanindrazana no marika ny fitiavana azy. Arak any maha masina azy dia mila atao am-po sy am-pitiavana hatrany ary tena zava-dehibe tokoa ny fanajana ny asa satria maneho ny fanajana ny tanindrazana.
