Ambohimangakely: Tratra ireo mpangalatra jiro sy kojakoja amin’ny fiara
Lehilahy iray hikoizana amin’ny halatra jiro sy kojakoja amin’ny fiara no tratran’ny zandary avy ao amin’ny brigadin’Ambohimangakely, omaly. Efa maro ireo lasibatra tamin’ity asa ratsy ity ka nahatonga ny zandarimaria hanao ny vela-pandrika hanatratrarana ireo olon-dratsy, ka izao nahitam-bokany izao, araka ny voalaza.
“Anisan’ny tranga tena mampikolay ireo mpanana fiara ny halatra globes sy ny feux avant-arrières. Hesorin’ireo olon-dratsy ireo fampitaovana amin’ny fiara, izay manome endrika ny fiara, tahaka ny nitranga tamin’ny alin’ny 17 hifoha 18 oktobra teo, tao amin’ny fokontany Behitsy. Lasan’ireo olon-dratsy avokoa hatramin’ny pare-chocs sy ny radiateur tamin’ny fiara izay namboarina” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
“Rehefa natao ny fokarohana sy ny fitrandrahana angom-baovao ary napetraka ny vela-pandrika dia tratra tamin’izany ny lehilahy iray, mbola niaraka tamin’ireo equipements very ary mbola nisy ihany koa karazana jiro hafa maro tao aminy” hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina moa fa monina ao Ambilanibe Anosipatrana ity lehilahy tratra ity. Nosamborina niaraka taminy ihany koa ny namany iray avy any Andohotapenaka. Efa naverina any amin’ny tompony moa ireo zavatra very ary nogiazana ireo hafa mandrapahita ireo tompony
Manitra R.
