ActualitésTatitra

Hydnellum peckii : Zava-maniry hafakely

Karazana « champignons basidiomycètes » ao amin’ny fianakavian’ny Bankeraceae ny Hydnellum peckii na Hydnelle de Peck. Miendrika « sporophores » misy satroka mirefy 30 hatramin’ny 80 mm savaivony eo izy io ary fisapisaka, boribory na mibontsina.

 Miloko fotsy manopy mavokely io zava-maniry io any am-piandohana ary maka loko volomparasy makany amin’ny volontany izany rehetra matoy. Rehefa amin’ny vanim-potoana mando sy fitomboan’ny Hydnellum peckii dia mamoka tsiramoka mena toy ny rà ireo mbola tanora rehefa voatsindron’ny « aiguilles de conifères ».

Laisser un commentaire