USP Big : An-katoavina ary ara-panjakana ny fampiofanana
Sampam-piofanana tokana, ary anisan’ny voalohany eto Madagasikara eo amin’ny fampiofanana amin’ny sehatry ny informatika sy ny “multimedia” ny ESP Big (Etablissement Supérieur Professionnel spécialisé en informatique). Natokana ho an’ireo tanora liana amin’ny sehatry ny nomerika sy ny teknolojia ary ny informatique indrindra ity ivon-toerana ity.
“Nahazo fankatoavana avy amin’ny fanjakana ary ara-panjakana ny fiofanana ato amin’ny ESP Big. Natao hiasa avy hatrany ny mpianatra mivoaka ato amin’ny ivon-toerana amin’ny maha seha-panofanana azy. Namoaka DTS BACC+2 sy Licence ny ivon-toerana ary niasa avy hatrany ireo tanora ireo” hoy I Razafimahefa Hony tiana, tomponandraikitra ao amin’ny ESP Big.
“Amin’izao fampidirana ny lalam-piofanana Master izao, izay anisan’ny tanjona manokana entina hanomezan-danja ny fikarohana, izay tsy miala amin’ny maha siantifika azy, misy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpampianatra matihanina. Hizara roa ny ao amin’ny fiofanan’ ny mpianatra master amin’izay fotoana izay. Hisy ny hifantoka manokana amin’ny MTIC (Master en technologie de l’information et de la communication) izay natao ho an’ny sokajy rehetra na siantifika na litteraire ary ny lalam-piofanana Master iray izay mifantoka amin’ny « Master science et ingénierie informatique » izay natokana ho an’ny taranja siantifika manokana » hoy hatrany ny fanazavana.
Manitra Ramanantsoa
