ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nirosoana ny fanamboarana ny lalana mankao amin’ny rovan’Ilafy

Niroso tamin’ny fanamborana ny lalana miakatra mankao amin’ny rovan’Ilafy ireo tomponandraikitra, avy amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny faran’ny herinandro teo. Efa ela ireo mponina tao an-toerana no nitaraina sy nagataka ny hamboarana izany, araka ny voalaza.

“Araka ny efa nampanantenaina sy nolazaina tamin’ny mponina dia nirosoana ny fanamboarana ny lalana rovan’Ilafy. Efa hita tokoa ny faharatsian’ny lalana kanefa anisan’ny tena be mpampiasa sy be mpivezivezy izany, ka izao nitondrana fanamboarana izao” hoy ireo avy amin’ny kaominina.

“Zava-dehibe ny fanamboarana ity lalana ity. Hisaoarana ireo tomponandraikitra nitondra fanamboarana izany satria efa ela ny mponina no nitaraina ka raha mbola ho tratran’ny fotoam-pahavaratra dia zava-poana ihany ny fanaovana antso avo sy fitarainana” hoy i Annick, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny kaominina ny fahavitan’ity lalana ity. Ny rovan’Ilafy izay vakoka mampalaza sy manan-tantara ho an’ny kaominina ary maro ireo mpitsidika ao an-toerana; antony tokony hijerena sy hikoloana hatrany ireo foto-drafitr’asa.

Manitra R.

Laisser un commentaire