ActualitésTatitra

Italie : Sarobidy ao ho an’ny firenena ny fisotroana « Expresso »

Mihoatra ny misotro kafe fotsiny ny fiarahana misotro « expresso » ao Italie. Fombafomba ara-tsosialy sy ara-kolontsaina izany ary voasokajy ao anatin’ny harem-pirenena miarakitra ao amin’ny vakoka tsy azo tsapain’tanan’ny Unesco.Misotro « expresso » manodidina ny telopolo tapitrisa litatra isan’andro ny mponin’i Italie manomboka ao Venise hatrany Sicile. Tsy fisotro irery ny « expresso » fa mariky ny fiaraha-miombona raha ny kolotsain’i Italie. Endrika iray hanehoana ny fitiava-namana izy hoy i Massimiliano Rosati, tompon’ny toeram-pisakafoana tranainy sy malaza Gambrinus ao Naples. Nanampy ny Unesco nandrafitra ny antontan-taratasy nandraketena io zava-pisotro io ho vakoka ny tenany.Nanamafy izy fa fotoam-pizarana no hisotrona azy, ary azo sotroina isan’andro sy amin’ny fotoana rehetra. Marihina fa i Italie no manana ny kafe tsara indrindra.

Laisser un commentaire