Chine : Nampiato ny fifanarahana ara-toe-karena amin’i Australie
Nikasa ny hanakorotana eo amin’ny sehatrin’ny varotra sy ny fiaraha-miasa amin’ny Chine i Australie amin’ny alalan’ny “ady mangatsiaka”. Niteraka disadisa lalina teo amin-ny roa tonta izany. Nanapa-kevitra ny hampiato mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fifanakalozana ara-toe-karena sy ny hetsika mifandraika amin’izany eo amin’i Chine sy Australie ity voalohany ny alakamisy 6 mey. Nahakivy ny minisitry ny varotra ao Australie, Dan Tehan ity fanapahan-kevitra ity. Nilaza manko ny minisitra fa zava-dehibe eo amin’ny roa tonta ny dinika ara-toe-karena kanefa tsy nisy izany hatramin’ny 2017.
