Actualités

Mpiandro filaminana nisy namono tao Avignon

Nanao fanambarana ny praiministra Jean Castex ny amin’ny fahafatesan’ny polisy iray nandritra ny fidinana an-tsehatra nataony ny alarobia 5 may teo. Nandositra niaraka tamin’ireny “trotinette” ireny ilay mpitifitra tao aorian’ny asa ratsy nataony. Nambaran’ity praiministra ity fa novonoina nandritra ny hetsika fanoherana zava-mahadomelina tao Avignon ity mpitandro ny filaminana ity. Polisy maro no nokendren’ny tifitra nataon’ireo olon-dratsy ka izao nahafatesan’ny iray tamin’izy ireo izao. Nandeha nanao latsak’alina teny an-toerana ny Minisitry ny atitany Gérald Darmanin ny alarobia 5 may teo.

Laisser un commentaire