Fiovan’ny toetrandro
Efa miha hita taratra amin’ny endrika hita maso ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro. « Raha indroa na intelo isan-taona ihany no ahitana « Tiokamena » any atsimon’ny Nosy any teo aloha dia nandritry ny dimy volana izy izao nisy foana » hoy ny tatitra nataon’ny ONG Action Contre la Faim.
Rivotra mitondra fasika ny « Tiokamena » na « tempête de sable ». « Manototra ny fambolenay sy ny toerana tokony ambolenay ilay izy » hoy ny fitarainan’ireo mponina ao an-toerana. Mihena ny vokatra noho ny tranga ary ahiana hanamafy ny kere izany. Nambaran’ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosona Lovain-jafy kosa fa “ireo dongom-pasika ireo no ho volena zava-maniry mba tsy ho lasan’ny rivotra hanototra ny tanàna sy ny fambolena”.
Hasina Rasamimanana
