SocialTsidika

Fizahana fahasalamana ao amin’ny faritra Atsimo

Tonga nizaha ny toe-pahasalaman’ny ankizy tao Ankily Marovahatsy, faritra Atsimo Andrefana ny BMM3 tarihin’ny miaramila mpitsabo, Kapiteny Razafimahatratra Safidy, miaraka amin’ny ekipan’ny CSB2 Ifotaka. Ankizy miisa 91 izay niharan’ny tsy fanjarian-tsakafo no nisitraka izany.

Tsara marihina fa fa ankizy miisa 198 ihany koa no misitraka sakafo mafana izay karakarain’ny CCOK nanomboka ny 2 jolay. “Ahitana akora be otrikaina hanarenana ny fahasalaman’izy ireo izany” hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Nahafaly ny mponina teny an-toerana izany saingy mahafaly azy ireo kokoa raha vahaolana maharitra no omena azy ireo araka ny fanazavany.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire