Nozaraina CVO+ ny zandary manerana ny nosy
Isan’ny tena mandray andraikitra mivantana amin’izao valan’aretina Covid-19 izao ny Zandarimaria. Misehatra sy mikasika mivantana ireo vahoaka izy ireo araka izany. Efa tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra ny 24 Martsa lasa teo fa hozaraina CVO+ avokoa ireo mpitandro filaminana manerana ny nosy mba ho fiarovana azy ireo amin’ny loza aterakin’izany valan’aretina izany. Anisan’izany ireo Zandary izay miatrika sy mifanerasera andro aman’alina amin’ny vahoaka amin’ny fampanajana ny fepetra fahamehana ara-pahasalamana. Ankehitriny dia efa samy nahazo ny anjara CVO+ avokoa ireo zandary raha 16.646 no isa voaray teo anivon’ny mpamatsy izany. Raha ny tombana natao nandritra izay iray volana nizarana sy nandraisana ny CVO+ izay dia voamarina fa voaaro tokoa ireo zandary na dia misy ihany aza ireo tratry ny tranga miabo izay efa manaraka fitsaboana sahaza. Tsy ampy hilazana anefa fa tena maaro ireo Zandary izany mandritra izao fiadiana ny aretina izao. Mila fanohanana ara-pitaovana hafa izy ireo toy ireny mpitsabo ireny ihany satria mikasika mivantana ireo marary ihany koa.
Nicole Rafalimananjara
