SocialTsidika

Voasambotra ireo mpamaky fasana tao amin’ny distrika Toliara faha2

Tsy kely lalana ny ratsy na dia eo aza ny ezaka ataon’ny tompon’andraikitra anafoanana ny tsy fahandriam-pahalemana. Tra-tehaky ny polisy kaominaly ireo jiolahy namaky fasana tao Ankily, distrika Toliara faharoa. Ny herinandro lasa teo izy ireto no namaky fasana miisa 55 tao Ankily. Ireo mpiarakandro nandeha maraina no nahatsikaritra fasana nisokatra ka nampilaza ny zokiolona tao an- tanàna. Teo am-pikasana handositra ho any Anakao izy ireto izao voasambotra izao. Efa eo am-pelantanan’ny dinabe ireto olon-dratsy ireto amin’izao fotoana ary tsy maintsy ampiharana ireo sazy mifanandrify amin’izao asa ratsiny izao izy ireo. lreo volafotsy nalevina niaraka tamin’ireo razana no nalain’izy ireo araka ny fanazavan’ny dinabe any an-toerana. Manao antso avo amin’ny fitondram- panjakana sy ireo manam-pahefana ireo zokiolona any Ankily Toliara ny amin’ny mba hijerena akaiky ny tranga vaky fasana toy izao. Efa samy mitady izay fomba rehetra hahavelona azy amin’izao fotoana ireo vahoaka noho ity krizy ara-pahasalamana ity na tsara izany na ratsy. Tsy tokony any amin’ny faritra mena amin’ny tsy fandriam-pahalemana tahaka izao ve no tena handefasana mpitandro filaminana betsaka ? 

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire