Seychelles : Voarara ho an’ny vahiny ny fividianana tany
Nanao fanambarana ny fitondram-panjakana tao Seychelles fa mbola tanan’izy ireo ny fanampahan-kevitra mandrara ny teratany vahiny mividy trano na tany ao an-toerana. Raha tsiahivina dia nanomboka ny 31 desambra 2020 no nanapa-kevitra ny fanjakana fa hampiatoana ny fanjovan’ireo mpanan-karena avy amin’ny firenena hafa ny tany ao amin’ny nosy. Tokony nifarana tamin’ity taona ity izany saingy nohitarin’ny tompon’andraikitra.
Raha ny fanazavana nefa dia lafo ho an’ny mponin’i Seychelles ny vidin’ny tany sy ny trano an-toerana ary maro ireo vahiny liana amin’ny fananana trano na tany ao Seychelles. Mora ho an’ireo ihany koa nefa fividianana izany amin’ny alalan’ny Internet. Raha ny fanazavana dia manoratra « achat propriété Seychelles » fotsiny dia mahita tolotra maro saingy hatreto dia mikatona izany tsena izany.
