ActualitésTsidika

Institut ISS: Mifampitohy avokoa ireo hetsika ho an’ny fandraharahana

Ao anatin’ny hetsika izay ataon’ny ivotoeram-piofanana ISS ihany, izay ao anatin’ny fankalazana ny volan’ny fandraharahana amin’ity volana Novambra ity sy ny herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana dia mifampitohy avokoa ireo hetsika izay karakarain’ny ivon-toerana eny amin’ny IISS Tsiadana.

“Ny 14 sy 15 novambra izao, ny Institut ISS dia mikarakara “salon” mampihaona ireo mpanosika/ mpanohana orinasa sy orinasa maromaro. Ho hita mandritra izany ny lisitr’ireo mpanohana orinasa handray anjara amin’ny hetsika. Ny tanjona moa dia ny hitomboan’ny sehatra hahafahan’ireo mpandray anjara mampiroborobo ny fandraharahana ataony sy hivelaran’ny institut hatrany” hoy ny tale misahana ny IISS.

“Mifampitohy amin’izay salon izay hatrany dia misy ny Startup weekend ny 17 novambra ka hatramin’ny 19 novambra ao amin’ny institute ISS Tsiadana hatrany. Ny loha-hevitra “Mizotra mankany amin’ny tanàna lovain-jafy” no hovoaboasana mandritra izany, izay hiompana amin’ny orinasa vao misondrotra” hoy hatrany ny fanazavana.

Tsiahivina moa, fa manomboka ny 13 Novambar ny hetsika ho an’ny fandraharahana ao amin’ny IISS Tsiadana ity. Izay famelabelaran-kevitra momba ny fandraharahana eto Madagasikara, ny zava-misy ary varavarana misokatra no ho tanterahana amin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire