ActualitésTsidika

Anjeva: Tonga ao an-toerana ny caisse mobile an’ny jirama

Tonga eto amin’ny kaominina Anjeva, anio, nanomboka tamin’ny 09ora teo ka hatramin’ny 01ora tolakandro ireo tomponandraikitra avy amin’ny Jirama, manatanteraka fidinana ifotony. Handray ireo mponina misitraka ny jiro mora izy ireo, araka ny voalaza.

“Anjaran’ny eto amin’ny kaominina Anjeva indray no hanatanterahana ny fidinana ifotony, izay ataon’ny avy amin’ny Jirama amin’ny alalan’ny Caisse mobile (fiara mitety vohitra). Mandritra izany no handraisana ireo mpisitraka izay nanao fangatahana hampiditra branchement mora sy hitondrana fanazavana mahakasika ny tolotra” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Tena ilaina ny hazavana. Raha amin’izao fotoana, tena efa sarotra, ela ary lafo ny mampiditra jiro avy amin’ny jirama. Rehefa tsy misy jiro anefa ny tanàna dia manjaka ny asa ratsy. Ka hisaorana ny tomponandraikim-panjakana nitondra izao vahaolana izao” hoy i Bernard, mponina ao Anjeva.

Tsy misy ny fepetra manokana natao ho an’ireo te hisitraka ny jiro mora. Na izany aza anefa, misy ny fifanarahana sy ny fifampiresahana tsy maintsy hifanaovana amin’ireo tomponandraikitra mahakasika ireo teti-bidy sy ny fisitrahana izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire