Ambohimangakely : Hisy ny « cabaret concert » izay atolotry ny kaominina
Hisy ny « cabaret concert » izay hiarahana amin’ireo mpanakanto manana ny maha izy azy, izay hatolotry ny kaominina Ambohimangakely. Hotontosaina ny 4 novambra ho avy izao izany, ao amin’ny « Klub Sahameva Ambohimangakely », hisy ihany koa ny fanentanana izay iarahana amin’ireo Dj, araha ny voalaza.
“Anisan’ny fialamboly ary fanomezana sehatra ny mpanakanto ny hetsika tahaka izao. Ilaina ny miala voly ankoatra ny fanatanterahana ny asa isanandro” hoy I Narisson, mpikarakara seho.
« Ao anatin’ny fandaminana sy mifanaraka amin’ny zava-misy no tokony hanaovana fampisehoana. Manan-jo hiala voly avokoa ny olon-drehetra. Indrindra, fanomezana lanja ireo mpisehatra amin’ny kanto sy ny mozika » hoy hatrany i Narisson, mpikarakara lanonana.
Ilaina ny mifety, ny miala voly ankoatra ny fanatanterahana ny asa andavan’andro. Mila fahaiza-mandrindra anefa izany, indrindra eo amin’ny lafin’ny fandaminana, mba tsy hitondra korontana na fahasorenana ho an’ny hafa.
Manitra Ramanantsoa
