Fanisana trano : Maro ireo mpisandoka ho mpanadihady
« Misy olona misandoka ho mpanadihady mba hangalana vola amin’ireo tokantrano » hoy ny Talen’ny kabinetra ny Mpitsara ao amin’ny tananan’Antananarivo, Guy Razafindralambo tao amin’ny lapan’ny tanàna nandritra ny valan’dresaka hoan’ny mpanao gazety mahakasika ny fivoaran’ny fanisàna ireo trano miorina eto amin’ny Kaomina Antananarivo.
Efa maro ireo nametraka fitarainana ny amin’izany ary efa hampanaovana ny fanadihadihana mahakasika ireo olona misandoka ireo ny kaomina hoy hatrany ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Marihiny ihany koa fa tsy tokony hisy vola ho aloan’ny isan-tokantrano amin’ireo mpanao fanadihadiana ary tsy maintsy olona roa ireo mpanao fanadihadihana sy tsy maintsy mitondra famantarana na « badge » ary manao « gilet » miloko volon-davena sy manao « casquette » izy ireo. Miisa 1250 ireo mpanao fanadihadihana manerana ireo boriboritany enina manatanteraka ity fanisan-trano ity.
« 30 000 isa ireo trano vita fanisàna, izany hoe ny 20% ny tanjona no tratra » hoy hatrany ny fanambaran’i Guy Razafindralambo. Antony hanaovana izao fanadihadihana izao moa, dia ny hahafantarana mazava ny isan’ireo tokan-trano manana rano sy herinaratra. Raha ny fanazavana nentiny, entanina ihany koa ireo mponina amin’ny fandoavana ny hetra mba hampandrosoana ny tanàna. Hifarana ny volana septamba hoavy io ny fanisàna ary ny valiny izany dia ho fantatra any amin’ny farany ny volana septambra ihany koa.
Sitraka Rajaonarivony
