ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mpianatra maherin’ny 200 nisitraka « kits scolaires » avy amin’ny fitondram-panjakana

Anisan’ny nisitraka fitaovam-pianarana (kits scolaires) izay nozarain’ny fitondram-panjakana ireo mpianatra amin’ny ambaratonga fototra, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Tamin’ny faran’ny herinandro teo no nanatanterahana ny fizarana izany tao an-toerana, notarihin’ny lehiben’ny faripiadidim-pampianarana eto Avaradrano (chef cisco).

“Mpianatra maherin’ny 200 amin’ireo EPP manerana ireo ZAP telo mandrafitra ny kaominina Ankadikely-Ilafy no nisitraka ny « Kits scolaires » avy amin’ny fitondram-panjakana. Hisaorana feno araka izany izy ireo, amin’ny alalan’ny ministera misahana ny fanabeazam-pirenena, ny CISCO, ny ZAP ary ny kaominina nanome izany” hoy ireo avy amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

“Ho fanamaivanana ny fahasahirana ireo Ray aman-dReny sy ho fanampin’ny fitaovam-pianarana efa azo moa no anton’izao fanomezana izao. Marihina fa misy « Cahiers », « Stylos » sy « Règle » ary « Crayons de couleurs », miampy kapa ny « Kits scolaires » no natolotra ireo mpianatra ireo” hoy hatrany ny fanazavana.

Hafaliana ho an’ny ankizy hatrany rehefa mahazo fanampiana tahaka izao. Ny kaominina Ankadikely Ilafy ihany koa dia anisan’ny manao ny ezaka rehetra, indrindra ady sisika mba hisitrahan’ireo mpianatry ny sekolim-panjakana, ao an-toerana, ireo fanohanana sy fanampiana avy amin’ny fanjakana foibe, raha ny voalaza hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire