SocialTatitra

Maurice : Nahitana tranga vaovao roa

Tranga miisa roa indray no hita omaly 30 may tany Maurice. Ny toeram-pikarohanan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana any an-toerana no nanamafy ny vokatra azo tamin’ny fitiliana PCR miisa 927 natao tamin’ny 7 ora hariva tany an-toerana. Roa no tranga vaovao hita ka ny iray mponina any Coromandel ary ny iray hafa mponina tany Grand Bois izay nanao fitiliana tao amin’ny hôpitaly Jawaharlal Nehru. Miisa 601 hatreto ny marary sokajiana ho sitrana ary efa nody tany an-tranony avy. Miisa 559 kosa ny tranga voarakitra nanomboka ny 5 Mars lasa teo. Raha 139 ny marary natoka-monina. 37 kosa ireo voarakitry « depistages ciblés » ka 8 no maty nifandraika tamin’ny Covid-19. Hatreto 120 ny marary tsaboina any an-toerana. Mitohy kosa ny fanajana ireo fepetra rehetra napetraka iadiana amin’ny coronavirus any Maurice.

Laisser un commentaire