ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Fety be miaraka amin’ny fikambanana ANOB mandritra ny Donakafon’i Betsizaraina

Fety be indray no hankalazan’ny Fikambanana Amicales des Natifs et Originaires de Betsizaraina (ANOB) ny pentekôty amin’ity taona ity. Hotanterahina ny alahady 28 sy alatsinainy 29 mey izao ny hetsika Donakafon’i Betsizaraina. Hiseho amin’ny endriny samihafa ary mety ho an’ny karazan’olona rehetra ny fety mandritra io fotoana io.

« Toy ny isan-taona dia natao indrindra hiraisan’ny samy avy eny Betsizaraina ny fotoana ka tsy nasiana vidim-pidirana. Tsy manda vahiny ihany koa anefa izahay ka afaka tonga avokoa rehefa te hifety sy hikorana mandritra ireo andro ireo. Hanomboka ny alahady amin’ny 5 ora hariva izany, mandritra ny alina izay hiarahana mikorana ary hitohy ihany koa ny alatsinainy atoandro », hoy ny tompon’andrandraikitra ao amin’ny ANOB, mpikarakara ny hetsika.

Ankoatra ny fiaraha-mifaly amin’ny sakafo isan-karazany eny an-toerana sy ny hirahira malagasy hiarahana amin’ny Ony – Tolotra et Co dia hisy ireo mpanakanto malaza nasaina hanafana ny lanonana. Ho hita amin’izany ny tarika Mage4 sy ny tarika Kiaka. Tsara ny manamarika fa tsy misy ny vidim-pidirana mandritra ireo fotoana ireo.

Ny alatsinainy tontolo andro no hisian’ireo kilalao isan-karazany ahafahan’ny rehetra mandray anjara, na ankizy na lehibe. Tsy ambakan’izany anefa ny alin’ny alahady raha mankafy izany. Marihina fa efa ny taoan 1958 no nisy ny donakafo voalohany teny amin’io toerana io.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire