Dépêches

Tsipy kanetibe: Miverina amin’ny kianja iraisam-pirenena indray i Madagasikara.

Dépêche 20 mars, 12h, Vaovao mahafaly ho an’ireo mpitia ny taranja tsipy kanetibe satria dia foana tanteraka ny sazi’ny Madagasikara amin’ity taranja ity. Afaka hiatrika ireo lalao rehetra iraisam-pirenena rehetra indray araka izany ny mpilalao tsipy kanetibe Malagasy. Hiatrika ny lalaon’ny Nosy 2023 sy ny coupe du monde 2023 @ izay ny mpilalao Malagasy. Raha tsiahivina moa di any taona 2022 no nisan’izany sazy izany noho ny hofan-trano tsy voaloa ho an’ny delegasiona malagasy nandray anjara tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany tany Santa Susanna. Efa hita taratra araka izany fa efa nivaha ny olana ka nahitam-bokany.

Laisser un commentaire