Dépêches

Rangahy voatifitra tany Tsiroanomandidy

09 Aogositra, 09h12. Lehilahy iray manodidina ny 60 taona no maty notifirin’ny dahalo tao amin’ny trano fonenany tao Ambararatabe, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny zoma alina hifoha sabotsy lasa teo. Vadin’ny lehiben’ny mpitsabo ao CSB2 ao Ambararatabe izy io. Vola sy telefonina no nalain’ireo mpanafika tamin’izany.

Laisser un commentaire