CultureTsidika

Ambohimanga Rova : Mbola mitohy ny hetsika ataon’ny « Mizara Tsiky »

Nisy ny hetsika mahafinaritra nataon’ny fikambanana « Mizara Tsiky » nanomboka ny 10 jolay hatramin’ny 17 jolay izao. Fampifaliana ny olona amin’ny alalan’ny « parapente » no atao mba ho fanampiana ireo ankizy sahirana ao amin’ny akany « Akanisoa Fanantenana » ao Sabotsy Namehana sy ny akany « Ny anjaramasoandrolo » Ivato.

« Ny fandraisantsika anjara amin’ity hetsika ity dia efa fanampiana lehibe ireo ankizy sahirana ireo. Manasa antsika rehetra handray anjara amin’izany. Misy ihany koa ny ankitsapaka ho atao amin’ny vidiny tena mirary » hoy i Orimah, mpikabana ao amin’ny Mizara Tsiky. « Sady nialavoly mihitsy no nandray anjara tamin’ny hetsika ho fanampiana ireo kamboty. Misaotra ny mpikarakara fa tena nizara tsiky tokoa » hoy i Ravo, isan’ireo nandray anjara.

Iantohana avokoa ny fitaterana sy ny fivahinianana, ny sakafo sy ny rano raha toa mandray anjara amin’ny tapakila isika. Mila fanohanana avy aminstika tokoa ireny ankizy kamboty sy sahirana ireny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire