Etats-Unis : Ahoana ny fomba fiasan’ny Uber ?
Rindrambaiko namamora ny fitadiavana fiara ny Uber. Mampifandray mivantana ny mpamily sy ny mpandeha izany.
Voalohany indrindra dia mila manana ny rindrambaiko ilay mpandeha. Mampiditra ny toerana tiany aleha ao anatin’ilay efajoro misy ny soratra hoe « ho aiza ? » izy, ary misafidy izay tolotra tiany omen’ny rindrabaiko (ny haben’ny fiara, ny saran-dalana, tombanan’ny fotoana ahatongavana).
Rehefa vita ny safidy dia ammpifandraisan’ily rindrambaiko amin’ny mpamily ilay mpandeha. Rehefa manaiky izany ny mpamily dia mampahafantatra ny fotoana ahatongavany any amin’ny mpandeha.
Mifampijery anarana ny roa tonta ary mandeha maka ny mpandeha ny mpamily. Mitondra ny mpandeha eny amin’ilay toerana nampidiriny tany am-boalohany ny mpamily ary efa omen’ny rindrambaiko ny andinindininy rehetra momba izany ny mpamily.
Rehefa tonga eny amin’ny toerana nangatahany ny mpandeha dia misy ny naoty sy fanamarihana hifanomezan’ny mpamily sy ny mpandeha. Ny mpamily manome naoty an’ilay mpandeha ; ny mpandeha manome naoty ny mpamily.
Afaka manome vola noho ny fahampo (pourboire) mivantana amin’ny rindrambaiko ihany koa ny mpandeha.
Mety ho azo ampiharina amin’ny fitateram-bahoakan’Antananarivo ve ity fanomezana naoty ity ?
