Rangahy iray antsoina hoe R.Eric no nosamborin’ny zandary tao Andranomadio ny 11 aogositra teo.
12 Aogositra, 08h00. Voaheloka namono ny vadiny izy. Novelesiny tamin’ny maritoa in-telo izy ny 8 aogositra raha ny loharanom-baovao noho ny fahatratrarany azy mampirafy matetika. Nidiny tao an-tranony kosa ny razana ary nitsaoka tany Antsirabe ny tenany.
