Dépêches

Mahitsy : Jiolahy iray no tratra

26 Aprily, 12h00. Jiolahy iray 29 taona monina ao Antamboho fokontany Vatobe kominina Ambatomanga distrika Arivonimamo no voasambotry ny Zandary avy ao Mahitsy. Roa hafa kosa no tafatsoaka ny 26 aprily maraina tamin’ny roa. Rehefa natao ny fisavana dia tratra tany amin’ilay jiolahy voasambotra iny Basy poleta iray tsisy marika sy « barre à mine » iray. Azo ihany koa ny moto izay efa napetrak’izy ireo mialoha teo amina toby mpivarotra solika iray tao Mahitsy.

Laisser un commentaire