Nodimandry i Rufin Nivo
31 Martsa, 13h00. Maty tao Fianarantsoa ny Talata 30 Martsa i Rufin Nivo, solombavambahoaka sy ben’ny tanànan’i Farafangana teo aloha. Olana teo @ fisefoana no nidirany hopitaly, tsy fantatra mazava na Covid-19 na tsia, fa olona efa taizan’aretina izy. Raha tsiahivina, mpikambana tao @ Leader Fanilo izy ary nitondra ny anaran’io antoko io fony izy lany solombavambahoaka t@ 2013. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany
