Mety hiverina ho toy ny tamin’ny 1930 ny sosona « ozone » amin’ny 2050
Raha mitohy ny ezaka ataon’ny firenena rehetra ny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana dia azo antoka ny hiverenan’ny sosona ozona tamin’ny 1930 amin’ny 2050. Mbola mitohy ny ady amin’ny fanimbana ny tontolo iainana indrindra ny eto Madagasikara izay tokony handraisan’ny rehetra anjara.
« Mila apetraka ny lalàna manoloana ny fiarovana ny tontolo iainana indrindra ny sosona ozona toy ny fampidirana ny akora simika eto amin’ny firenena » hoy Rabemananjara Rivo, Mpandrindra ny fandaharan’asa Zone du Pays. « Mila jerena ireo sehatra tena laharam-pahamehana manoloana ny fahadiovan’ny tontolo iainana toy ny kalitaon’ny rivotra, ny kalitaon’ny asa » hoy i Rabenandrianina Rivosoa, Tale jeneralin’ny fampandrosoana lovainjafy. « Misy fiatraikany betsaka amin’ny sosona ozona ny setrok’ireo Indostria izay mandoto ny rivotra ka tokony ho ara-dalàna tsara izy ireo ary hanaja ny fenitra amin’ny tontolo iainana » hoy i Dokotera Salama Jean Claude, Tale mpitantana ny fahalotoana eto Madagasikara. Miankina amin’ny asan’ny olombelona noho izany ny fahasiban’ny sosona ozona izay hany miaro antsika amin’ny taratry ny masoandro tsy hiampaka mivantana amin’ny olombelona. Raha io mantsy no simba dia hiakatra ny hafanana ary ho may sy hijaly eto isika koa aoka samy hitandrina izya hetsika rehetra ataony.
Nicole Rafalimananjara
