Fifidianana filoham-pirenena 2023 : Miroso amin’ny fijerena ny orinasa hanatonta ny taratasim-pifidianana ny CENI
Taorian’ny fanambarana ofisialy ny datim-pifidianana dia miroso amin’ny dingana fanatontana ny taratasim-pifidianana na ny « bulletin unique » ny CENI ankehitriny. Manao fampitahana eo amin’ny kalitao izy ireo na izany ho an’ireo orinasa mpanatonta eto an-toerana na ho an’ny any ivelany.
« Ankoatra ny sandan’ny fanatontana, dia zava-dehibe ihany koa ny kalitao eo amin’ny endrika sy loko. Koa ankehitriny izahay dia manao fampitahana amin’izay tsara sy mahafa-po na eto an-toerana na any ivelany ka izay mahavita tsara azy no hanonta ny taratasim-pifidianana » hoy ny avy amin’ny CENI. « Mila mahazo antoka ny CENI eo amin’ny fahafahan’izay ho mpanatonta ity taratasim-pifidianana ity. Mila azo antoka ny fahavitan’ny taratasim-pifidianana araka ny kaltao takiana ary indrindra ihany koa ao anatin’ny fotoana voafaritra » hoy i Soava Andriamarototafika, pitondra tenin’ny CENI. Mpanao pôlitika maro ihany koa no sarotiny amin’ny fanatontana ity taratasim-pifidianana tokana ity ka mitaky ny hanatontana izany araka ny fenitry ny fifidianana mba hisorohana ny hosoka.
Ny taratasim-pifidianana tokana tahaka ity ho atao ity dia efa nampiharina teto Madagasikara nanomboka ny fifidianana farany teo ny taona 2018. Efa tsy zava-baovao ho an’ny olom-pirenena mpifidy intsony noho izany ny mahakasika azy ity kanefa dia antenaina sy azo antoka ny mbola fotoana hampianarana ny fomba fampiasana azy ho an’ny mpifidy.
Miranto Andrih
