Ambohimanambola : Miha manakaiky ny mpianatra hatrany ny sekoly
Nisy sekoly vao nisokatra indray tao Ambohimanambola ho amin’ny taom-pianarana 2022-2023. Manakaiky hatrany ny mpianatra ny sekoly mba tsy hiteraka fahasahiranana be ho an’ny ray aman-dreny. « L’oiseau dans le Nid » no anaran’ity sekoly vaovao ity, izay manaraka ny drafi-pampianarana frantsay sy anglisy.
« Afaka misafidy tsara ny sekoly izay mety amin’ny zanany ny ray aman-dreny. Rehefa betsaka ihany koa ny mpifaninana dia miha tsara hatrany ny kalitao. Hinoana fa hiakatra tsikelikely ny lentan’ny fampianarana noho izany » hoy i Saholy, renim-pianakaviana. « Misokatra manomboka ny 4 jolay 2022 ny fandraisana ny anaran’ireo mpianatra izay hiditra ny volana septambra izao. Voafetra ihany anefa ny mpianatra raisina ato. Eto Ambohimanambola no misy ny sekoly » hoy tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly « L’oiseau dans le Nid ».
Isan’ny mbola olana eto tokoa ny faharefon’ny fampianarana. Na izany aza, miara-miasa akaiky amin’ny Ministera hanatratrarana ny tanjom-pampianarana ihany koa ny sekoly tsy miankina.
Nicole Rafalimananjara
