Alasora : Hisy ny fahatapahan-dalana
Ho tapaka ny lalam-pirenena 58B, Ankadindratombo sy Ambohimanambola, ny 25 jona tontolo andro. Ny lalana manamorona ny ranon’Ikopa mankany Ankadindratombo sy ny Rond Point Madnikanamana ity tapaka ity.
« Hisy ny fankalazana ny fetim-pirenena eto amin’ny kaominina Alasora. Mizotra mihazo ny lalana By-Pass ny fiara ho any Ambohimanambola sy Ambohimangakely » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Somary hiova kely ny fifamoivoizana. Hiezahana hatrany ny handaminana azy mba tsy hiteraka fanelingelenana loatra. Tsara raha manaraka hatrany ny lamina efa napetraka isika » hoy ny mpitandro ny filaminana ao Alasora.
Miantso ny mpampiasa ny lalam-pirenena 58B noho izany mba hanaraka hatrany ny fandiminana ho filaminan’ny tanàna. Hirariana ny hiantrehantsika ny fetim-pirenena ao anatin’ny filaminana hatrany.
Nicole Rafalimananjara
