ConseilTsidika

Torohevitra: Fanampiana hery fiarovana hisorohana ny sery sy kohaka

Efa miditra tsikelikely anatin’ny fotoanan’ny mangatsiaka tanteraka isika amin’izao fotoana. Mamely araka izany ny sery sy gripa isan-karazany. Anisan’ny ankizy sy ireo marefo amin’ny hery fiarovana anaty vatana.

Mba hisorahana izany aretina izany aza, dia tsara manampy singa sy hery fiarovana ho an’ny vatana ahafahan’ny miady amin’ireo aretina samihafa. Azo karakaraina tsara ao an-tokatrano izy ity ary natoraly avokoa ny akora ampiasaina.

Sakamalaho sy  siramamy ary rano mangotraka no ampiasaina eto. Kikisana ny sakamalaho sahabo iray fela-tanana, rehefa voadio tsara. Iny avy eo no alefa anaty rano mangotraka 1litatra ka avela eo telo hatramin’ny dimy minitra. Asiana siramamy na tantely hanamamy azy. sotroina iray kaopy isan’andro izany. Anisan’ny mampafana ary mamoaka ireo mikraoba any anaty ny fisotroana izany ary mampiasava sery sy gripa. Afaka ampiana voasary makirana ity fangaro ity. Aza adinoina anefa ny manao akanjo mafana, indrindra ny arotenda.

Laisser un commentaire