SocialTsidika

Fandraraharana : Tombony ho an’ny tena sady manasoa ny mpiara-belona

Tsara tokoa ny manana asa raikitra handraisana vola isam-bolana. Ny ankabetsahan’ny tanora ankehitriny dia manohy fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony mba ahafahany miditra miasa amin’ireny orinasa lehibe sy fanta-daza ireny na koa hoe miditra ho mpiasam-panjakana mihitsy aza. Ny tontonlon’ny fandraraharana koa anefa dia azo atao asa mahavelona soa aman-tsara ihany koa. Mety atao vadin’asa ihany koa ho an’ireo izay maniry hatrany ny hiasa amin’ny orinasa lehibe. Ho an’ny firenena tahakan’i Madagasikara dia ilaina dia ilaina tokoa ny fampiroboroboana azy io. Voalohany indrindra dia lalana iray hiadiana amin’ny tsy fananana asa izy. Araka ny tarehimarika navoakan’ny Instat dia aman’aliny ireo tanora nahazo mari-pahaizana miditra eny amin’ny tsenan’ny asa isan-taona. Ary vitsy amin’izy ireo ihany no tafiditra miasa amina orinasa lehibe ary tena mahazo asa mifanaraka amin’ny mari-pahaizany sy fianarana norantoviny. Noho izany, tsara dia tsara tokoa ny mandraraha satria sady tombony hoan’ny tena no sady manome asa ho an’ny hafa. Fanampin’izany maro ireo tanora maniry hiasa anefa tsy nanana fahafahana nianatra ka tsy ho tafiditra amin’ny orinasa lehibe velively fa dia miandry ho karamain’ireo izay mba manambola afaka manakarama azy. Na izany aza ireo izay manam-pikirizana hiditra amin’ny sehatry ny fandraraharana dia mila manana fahalalana sy fiofanana mafy orina mba hapaomby ny tetikasany.

Laisser un commentaire