ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Misy ny tolotr’asa hanampiana ireo tanora

Miara-miasa akaiky amin’ny Vondrona Accès Banque Madagascar ny kaominina Sabotsy Namehana amin’ny fanomezana tolotr’asa ho an’ny tanora ao anatin’ny kaominina. Ireo tanora mihoatra ny 21 taona no antsoina hanatrika ny fiofanana rahampitso 19 may ao amin’ny Espace Masca amin’ny 10 ora maraina.

« Mila manomana ny karapanondrom-pirenena sy sary tapaka ary fanamarinam-ponenana isika izay liana amin’ny tolotra. Ireo tanora mahalala tsar any tanàna misy azy no tena ilaina amin’izany. Mahay mifandray tsara aman’olona ihany koa » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. « Tena liana amin’ity fiofanana ity ny tenako. Na tsy nahavita fianarana lavitra azy aho dia hitako manampy betsaka ny fampiofanana miompana amin’ny fananan’asa » hoy i Jennifer, tanora ao Sabotsy Namehana.

Misokatra hatrany ny fiaraha-miasan’ny Kaominina Sabotsy Namehana amin’ireo rantsana misehatra kokoa amin’ny fampananan’asa ny tanora. Hirariana mba hampandroso hatrany ireo tanora ao Sabotsy Namehana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire