Arabie Saoudite : Misokatra ho an’ireo vahiny vita vaksiny ny sisin-tany
Nihatra nanomboka ny Alatsianiny teo ny fandraisana ny hetahetan’ireo mpanao fivahinihanana masina musulman manoloana ny fidirana ao Arabie Saoudite. Manoloana ny valan’aretina mantsy dia nikatso ihany koa ny sehatry ny fizahan-tany sy ny fivahinihanana masina tao an-toerana.
Noho izany, nanomboka ny volana aogositra teo dia nafainganina ny fanaovam-baksiny tao an-toerana mba ahafahana famerina indray ireo sehatra ireo. Tsy maintsy manao vakisny kosa nefa izay mivezivezy rehetra ao an-toerana sy izay hitsidika ireo toerana ho an’ny daholo be.
