Fandriam-pahalemana: Hiara-hisalahy ireo Minisitra telo misahana ny fiarovana sy ny fandriam-pahalemana
Nisy ny dinika izay nifanaovan’ireo Minisitra telo misahana ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Nahitana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotoarijaona Josoa, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Randraianarison Fanomezantsoa ary ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Firovam-pirenena miadidy ny Zandarimaria, ny Jeneraly Gellé Serge. Nifampiresahana tamin’izany ny paik’ady entina hanatsarana hatrany ny tolotra fandriam-pahalemana eto Madagasikara.
“Hatsaraina araka izany ny fiaraha-miasa eo anivon’ny hery fiarovana miisa telo mba hahafahana manatratra ny tanjona dia ny mba hisian’ny filaminana fara-tampony. Hamafisina ny fandrindrana ireo hetsika ataon’ny heri-piarovana sy fandriampahalemana ( FDS) eny an-kianja. Hahafahana maneho ny firaisan-kina eo amin’ny mpitandro filaminana ihany koa izany fiaraha-miasa izany. Tafiditra ao anatin’ny paik’ady vaovao araka izany ny fiarahana misalahy sy fifanomezan-tanana ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany”, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena tamin’ny fanazavana izay nentiny.
Manana paik’ady vaovao hafa ihany koa izy ireo manoloana ireo tsy fandriampahalemana ankehitriny. Efa miparitaka manerana ny Nosy ireo vondron-kery miisa telo ireo hahafahana manatanteraka izany.
“Efa tsara ny ezaka natao fa ny ety amin’ny tontolo ambany vohitra foana matetika no tsy voaaro araka ny tokony ho izy satria mbola vitsy ireo manaiky hiasa aty amin’itony toerana itony. Izany indrindra no ilaina ny fiaraha-miasan’izy ireo fa tsy mijanona fotsiny amin’ny tontolo andrenivohitra”, hoy ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Alakamisy Anativato.
Fiaraha-miasa amin’ireo mponina ihany koa nefa no ilaina rehefa misy ny olana hahafahana mamonjy azy ireo anaty fotoana haingana. Tokony hizarana ka samy hanana ny laharana maitso afaka antsoina avokoa araka izany ny olona tsirairay.
Miora Raharisolo
