Toetr’andro: Mbola hitohy ny rotsak’orana ho an’ny afovoantany
Dépêche 13 avril, 11h Na dia efa miditra tsikelikely amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina aza ny eto afovoan-tany dia mbola mitoetra hatrany ny rotsak’orana. Mety ahitana rotsak’orana maivana ny faritra avaratry Madagasikara sy ny afovoan-tany indrindra any amin’ireo toerana betsaka tendrombohitra. Hiovaova ny mari-pana mandritra ity faraparan’ny herinandro ity ka mila mailo avokoa izay rehetra hivoaka ny trano. Mety ho malomaloka ny andro isaky ny maraina raha ahitana fiakarana kosa izany ho an’ny tolak’andro sy ny hariva. Samia mailo amin’ny fitafy hanaovana araka izany ho fiarovan-tena.
