Equateur : Mamela malalaka ny fanalan-jaza raha misy trangam-panolanana
Nanapa-kevitra ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana any Equateur fa azo atao ny manala zaza raha toa ka misy ny trangam-panolanana mihatra amin’ny vehivavy iray. Fanapahan-kevitra manan-tanatara ao amin’ity firenena izay mandala fatratra ny nentin-drazana ity fanapahan-kevitra noraisina ity ny alarobia 28 aprily lasa teo. Hatramin’izay mantsy, raha ny voafaritry ny lalàna any an-toerana, voaheloka telo taona an-tranomaizina ny vehivavy iray raha misy ny tratra, raha tsy hoe voan’ny aretin-tsaina na manana fahasembanana ilay vehivavy. Ho an’ny mpiaro ny zon’ny vahoka any an-toerana, dingana lehibe ity noraisin’ny fanjakana ity satria mankany amin’ny fitoviana marina eo amin’ny fiaraha-monina isika amin’izao lalàna vaovao izao. Ireo vondron’olona mpiaro ny vehivavy rahateo efa hatramin’ny ela no nangataka izany. Fandresena ho an’ireo mafana fo izay niady mafy izany ity lalàna ity. “Ankehitriny izahay vao mahatsiaro ho sambatra satria tsy misy intsony ny fanenjehana ny vehivavy, tsy hizaka ny heloka tsy nanapahanay hevitra kosa izahay, izay tsy fidiny ihany koa ho an’ireo izay tratran’ny fanolanana” hoy ny vehivavy maromaro naneho ny heviny.
