Sabotsy Namehana : Isa iray no tsy misy no nisarahana tamin’ny lalao baolina kitra
Notontosaina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny lalao ara-pirahalahiana teo amin’ireo ekipa voafantina tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana sy ny ekipa avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, tao amin’ny kianja Rafanodina Sabotsy Namehana. Nandresy tamin’ny isa 1-0 ireo ekipan’i Sabotsy Namehana, raha ny voalaza.
« Nizotra tamim-pilaminana ny lalao natao, samy naneho ny fahaiza-manao hananany avokoa ny roa tonta, ka nifandanja tsara ny lalao, fa tamin’ny faramparan’ny ampaham-potoana voalohany no nahatafiditra baolina ny ekipa voafantin’ny Kaominina Sabotsy Namehana » hoy ny avy amin’ny kaominina Sabotsy Namehana.
« Niditra tamin’ny fizaram-potoana faharoa, na dia niezaka nanao izay ho afany aza ny avy eny Ambohimangakely, dia nanano sarotra ny nampiditra baolina tao aminin-dry zareo Sabnam, ka iny isa iray no aotra iny no nisarahan’ny roa tonta » hoy hatrany ny fanazavana.
Lalao ara-pirahaliana tanteraka no niseho teny Sabotsy Namehana ity. Anisan’ny tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena ihany koa moa izany no fanomezan-danja ny fanatanjahan-tena, indrindra ny fampiraisana ny tanora teo amin’ny kaominina roa tonta.
Manitra R.
